Voasary (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iny izy fa tazako eny an-tampom-kavoana
Mamikavika mafy ery ambany ery
Mitofatofa amin’ ny zipo, zipo lavany
Fafazan’ ny orana avy any atsimo izy
Tohan’ ny rivotra tsy avelany mandeha
Mavitribitrika anefa izy mitaingina ny kapany
Na dia misy aza ny fiakarana mideza
Izay miandry azy atsy aloha atsy a !
Mavitribitrika izy e , hamangy ilay malalany
Ny famindrany amin’ izay e !
Manaraka ny fitempon’ ny fony.

Midobodoboka ny fony,
midobodoboka aok’ izany an !
Rehefa tonga teo am-baravarana
Nandondona indroa izy e , nefa tsy nisy namaly
Saika handondona fanintelony izy
Nivoha anefa ny varavarana
Ka nampandrosoiko izy e ! tato an-trano
Mangetaheta anefa izy
Dia notolorako voasary
Samary gaga anefa izy nijery ilay voasary
Voasary efa vita vaofy no nomeko azy
Nanontany azy izy e : nankaiza ny odiny ?
Be mpaniry mantsy io voasary io
Ka izay tonga ato an-trano dia mihinana ny odiny
Ny fonin’ ilay voasary anefa tsy nomeko an’ iza n’ iza
Natokako ho anao e , ny fonin’ ilay voasary an
Natokako ho anao e , ilay voasary mamy an !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 12050
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 25/10/2001 17:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013