Tsy hitako intsony ny lalana (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy hitako intsony ny lalana
Ny lalana mody any ambala
Fa lasa daholo ny namana
Nody tsy nahalala
Izaho irery, izaho irery
Akanga saraky ny ala
Manimanin-te hody
Irery fa lavi-malala
Matahotra ny tsy ho tody
Manimanina, manimanina
Manimanina an’i Neny
Irery any an-tanana
Ny zanany aty dia manjeny
Nandao fa tsy tamana
Leo ny angady ka nitady
Asa mora kanefa be vola
Ka nandao ny ambanivohitra
Nefa izao tsy afa-midola
Nefa koa tsy afa-manoatra
Tapa-kevitra, tapa-kevitra
Tapa-kevitra ny hody any ambala
Hamboly ny tanindrazana
Fa mafy ny fiainam-bazaha
Mamboly ny tany ngazana
La, la la, La la la laaaa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 4631
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 03/11/2001 18:11
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137