Ry zanako (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
tamy tonga ny andro nahitanareo masoandro ry zanako ô!
hafaliana haravona no nameno ny fonay ry zanako ô!
fa tonga ianareo nirinay na vavy na lahy ry zanako ô!
tomaninareo no antsa tsy nankaleo kalo sy hira ary feo

nanainga anay hatrany hilofo tsy hanontany ry zanako ô!
avy aiza ary ho aiza inty fiainana an-tany ry zanako ô?
ny riharianareo no namaly an'izany ry zanako ô!
nitsiry tokoa vao nandrobona hatrany rehefa tola moa! milofika ihany eh!

ianareo no andry hiantana
raha ho tonga ny andro fahosana
ianareo no lakana hitana
ny faharavana hateraky ny fahotana

ny zanakareo no hamelona indray ny ainay

fa inty tonga ilay andro ahitanao tokantrano mamiratra
ho tokantrano hanafana, tsy handoro fa ahatamana ny fitiavana
tokantranon'hazavana tsy hilaozankorana ny ao aminao
hierem-pihafiana sy fangirifirina,hoambinin-javatiana sy zaza hirina ô! ô!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 6145
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : badi
Daty : 09/09/2014 15:28
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125