Raha tsy ho eto intsony aho (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha tsy ho eto intsony aho
Fa lasa vetivety
Lasa mba hitety
Iny habakabaka iny

Iny lalako iny hitsaho
Fa angamba izy hihety
Hanonofy vetivety
Sy hiaraka aminao (2)

Nokotrehiko izy iny
Ary efa saiky fohy
saika efa tonga zavatra
Tena revinao

Anefa iny lalako niy
Iny ihany no hitohy
Ary hitondra revy,
Tena revinao (2)

Raha toa ka malahelo,
Raha toa ka mamelovelo
Antsoy aho in-telo
Hamafa ny alahelo

Nokotrehiko izy iny
Ary efa saiky fohy
saika efa tonga zavatra
Tena revinao

Anefa iny lalako niy
Iny ihany no hitohy
Ary hitondra nofy
Ho nofisinao (2)

Raha toa ka malahelo,
Raha toa ka mamelovelo
Antsoy aho in-telo
Hamafa ny alahelo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 5819
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 13/09/2002 12:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3983