Orimbato (Mahaleo)
Mpihira : MahaleoMpamaky : 1406
Nampidirin'i : Bobly
Tamin'ny : 02/12/2008 15:31:37
ID : 5457 Isika eto an-tanàna
Sao dia varimbariana
Ny fahavalo avy ao afara
Misoko mangina
Isika eto an-tanàna
Sao dia varimbariana
Ny andrimaso aza vakiana
Ny fahavalo misoko mangina
Mitambara isika orimbaton’ny firaisan-kina
Ny fahavalo biby masiaka
Orimbato tsy hay hovakiana
Mitambara isika orimbaton’ny firaisan-kina
Ny fahavalo biby masiaka
Izay be no basy no fiadiana
Isam-baravarana, tsy misy mialangalana isika zalahy
Isam-baravarana, miaro zaza amam-behivavy isika zalahy




