Ny fahalemeko (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fahalemeko, fahalemen-dehilahy
Resy aho ekeko, resin’ny fakam-panahy
Nararaotiko hatrany, ny fahatsoranao
Ka namangiako tany, sy havoana vaovao

Anefa fahafaham-po, tsy naharitra akory,
Fa hadalan’olon-droa, fanalana sorisory
Ny hatanorako, no tsy tiako fefena
Ka nanimbazimbako ny fifanekena

Raha manoloana anao androany
Ka mivaky toy izao
Dia nohon’ny foko manontany, ny antony
Nandaozako anao
Ka tsy navelany ahy, raha tsy niarina
Mba hamonjy anao, ahitako ny marina

Ny fahalemeko, fahalemen-dehilahy
Resy aho ekeko, resin’ny fakam-panahy
Io no fahavalo, tsy maintsy no hatrehako
Anefa areti-mandalo, ka tsy hanenenako

(Dadah)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 6587
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 13/09/2002 12:42
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013