MAMOLAVA - NY MARAINA VAO MIFOHA (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny Maraina Vao Mifoha,
Dia Indro Lasa Andriamatoa,
Tsy Sakafo Am-bava-fò,
Dia GLOU, GLOU, GLOU.

Fa Ny Tendany Hono Maina,
Toy Ny Tany Karakaina,
Mitady Rano Mba Handena,
Tsy Ahoany ‘Zay Omena.


Dia Naroso Teo Ny Fisaka,
‘Zay Sahady Dia Nataony Lisaka,
Dia Naroso Lava -tenda,
Toa Vao Miha Milendalenda a,
Dia Naroso Botakely,
Maika Izy Te Hamely,
Tsy Mba Mahalala Ny Ataony,
Fa Vao Te Hisotro, Dia Efa Vonona.

Dia Naroso Teo Ny Tapany,
‘Zay Sahady Koa Dia Narapany,
Dia Naroso Teo Ny Litatra,
Faniriany Te Ihitatra,
Na Divay, Na Labiera,
Nifandimbindimby Teo Ny Vera,
Tsy Mba Mahalala Ny Ataony,
Fa Vao Misotro, Dia Efa Vonona.


Nony Ela Ny Ela,
Dia Indro Fa Niraiki-dela,
Niteny Teny Tsy Nianarany,
Ny Ompa ‘Zany Tsisy Farany.

Dia Indro Fa Nitady Ady,
Na Vody Hazo, Vavahady,
Ka Mahatsiaro Ho Mafy Be,
Ka Na Rindrina Aza Tsy Re.


Nisoko Mora Tsy Tana,
Niakatra Ary ‘Lay Mafana,
Nananika Ny Ati-doha,
Ka Ny Alahelo No Mifoha,
Nitomany Toa Zaza,
Rediredy, Vazavaza,
Tsisy ‘Zay Tsy Voalaza,
Na Ny Tsiambaratelony Aza.

Dia Indro Koa Fa Nahamay,
Na Vavony Na Tsinay,
Niakatra Hatrany Anaty,
‘Zay Vao Tena Tsy Tanty
Dia Indro Fa Nandrezandreza-taoka,
Nihaokahaoka,
Fanina Toa Vaky Loha,
Ny Farany Izy Dia Nandoa


Poti-kena, Potim-bary,
Ka Masikita Sy Lasary,
‘Reo Nantenaina Ho Kaly,
Nariana Fa Nampijaly,
Indro Fa Nisabaka,
Fa Nisy Zavatra Tsy Zaka,
Saingy Tsy Nahatsiaro tena,
Ka Ny Patalohany No Lena.

Nony Tonga Tany an-trano,
Tsy Mamo Aho Hoe Tsy Mamo,
Nangina Aloha Ramatoa,
Dia Nitanondri-doha,
Nidaboka Tao Am-pandriana
Nitsangam-bolo Ny Olon-tiany,
Nierotra Toy Ny Kisoa,
Ka Na Varatra Aza Tsy Ampifoha.


Nony Maraina Ny Andro,
Tsy Nisasa Izy, Tsy Nandro,
F’efa Maika Ny Hihaona,
Hamonjy Izany Vazom-bôna.

Dia Ny Maraina Vao Mifoha,
Dia Indro Lasa Andriamatoa,
Tsy Sakafo Am-bava-fo,
Dia GLOU, GLOU, GLOU

Dadah - MAHALEO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 6794
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : bice
Daty : 17/09/2010 12:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1336