You are here: home > Tononkira > Mahaleo

ikalaratsy ity (Mahaleo)

Maro ireo tantaram-pitiavana talohan’ny antsika
Ny antsika roa dia niavaka vao nifankahita
O r’ikalaratsy ity ohatran’ny malahelo anao ‘zaho

Toa lavitra be tsy takatry ny masoko ny tany nalehanao
Afon’ampombo tsy matin’ny ankaso ny fitiavako anao
O r’ikalaratsy ity ohatran’ny malahelo anao ‘zaho

Tsy tarehy, tsy bika na fitafy no nambtononkira.serasera.orgabo ahy
Fa ny fahatsoranao dia tso-drano mifafy noraisiko ho ahy
O r’ikalaratsy ity ohatran’ny malahelo anao ‘zaho

Lasa ianao any lavitra any
Lasa nianatra any am-pita any
Nandao tanindrazana
Nandao namana
Nandao havana

O r’ikalaratsy ity mirary anao ho tafita ‘zaho
O r’ikalaratsy ity mirary anao ho tafita ‘zaho
O r’ikalaratsy ity mirary anao ho tafita ‘zaho

Hevitra mandeha

Andriambolamena (12/06/2016 12:36:52)

Tsara be ilay tonony :)

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Mahaleo
Mpamaky : 2562
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 24/02/2015 23:23:15
ID : 7210

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo