Fitia mifamaly (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha miombona ny olon-droa
Dia mifanome teny
Fa na ho ratsy na ho soa
Dia ho azy ihany ireny

Ireny maraina mibaliaka
Ary koa ireny lanitra rakotra
Tsy ahoany ny hatsiaka
Satria ny fony afaka hifandrakotra

Izay no tafaray
No tafaray samy tia

Raha toa ny ratsy mandroso tsy an-kijery
Te-hifaoka izay efa najoro
Tsy haiko ho lavo fa hanao an-kery
Hanarina ity fo torotoro

Izay no tafaray
No tafaray samy tia

Raha ny hambom-po tsy hahasoa
Dia tsy omeny fahefana
Fa iray saina, iray fo
Ka ny mifanazava no hany lalàna

Raha misy olona miadaladala
Te-handrodana ny hasambarana
Isika roa tsy hisalasala
Handraoka ity fahavalo hikambanana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 6484
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 12/12/2013 09:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0898