You are here: home > Tononkira > Mahaleo

Etsy ho tadidiana (Mahaleo)

Etsy ho tadidiana vetivety fotsiny ihany
ireo olon-tiana izay efa lasa any
tratra antso ka tsy tana nialoha lalana
tsy hoe tsy tamana f’izay no fandaharana

Ao ireo ray, ao ireo reny nantenaina hiankinana
hitantana, hiteny nefa lasa any am-pahanginana
ao ireo zoky, ao ireo zandry natao hiara-hiriaria
nefa tsy nahandry fa lavo teny an-tapa-dia

Ireny no niamboho lasana andeha aloha
tsy telina eny tsy sitraka hiotsaka ho lo
nefa akaikin’ny fo na dia ho vovoka
zary paritaka

Tsiky dia ampyEtsy ary ho tadidy ireo lasana any ankoatra
tsy nanan-tsafidy, tsy afaka nanoatra
ireo zaza tsy manan-tsiny ambohoka menavava
natao hoe hivahiny nefa tsy mba nahita mazava

Ireo izay voafoaka tampoka na dia erotrerony aza
zary fola nidaboka tsy nampilaza
ireo nahita ny ainy nandao azy moramora
ho faty ihany fa tsy hainy na ny daty na ny ora

Ireo rehetra ireo sy izay tsy mbola voalaza teo
tsy azo hadinoina, fa akaiky antsika
ny fitia raha tianao ho aseho
andeha mba jerijereo mba tsy ho zary hangatsiaka

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Mahaleo
Mpamaky : 3166
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Bobly
Tamin'ny : 18/02/2009 13:47:30
ID : 5490

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo