Dadabe sy Bebe (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dadabenay dia mbola velona any an!
Mbola matanjaka anie izy izay a!
Mbola mamokatra ny tany an!
Bebenay dia mbola velona any an!
Mbola matanjaka anie izy izay an!
Mbola mamboly ny tany an!
Zovy e! (2)
Mbola matanjaka anie izy ireo
Mbola mamokatra ny tany

Dadabenay manamboatra tanimbary an!
Tanimbary totohatra anie ny azy e!
Totohatra manakatra ny lanitra
I Bebenay manamboatra tanin-ketsa (2)
Tanin-ketsa ambony toerana anie ny azy e!
Eny an-tehezan-tendrombohitra
Zovy e!(2)
Mbola matanjaka anie izy ireo
Manamboatra ny tany ao Ambonongo ao

Dadabenay mahay miasa tany a!
Tsy mirehareha anefa izy e!
Mamadika ny bainga, bainga ngodabe
Bebenay mahay mitoto vary e!
Tsy mirehareha anefa izy e!
Mitoto vary maina vokatry ny tany
Zovy e! (2)
Mbola matanjaka anie izy ireo
Manambotra ny tany ao Ambonongo ao

Dadabenay mahay mijoro tsara (2)
Angady mangasoavina anie ny azy e!
Angady lava lela fiasàny tanimbary a!
Bebenay mahay mijoro tsara an!
Miloloha zezika anie izy an!
Zezika tain’omby nalainy teny am-bala
Zovy e! (2)
Tsy rehareha anie izy ireo an!
Manamasaka ny tany ao Ambonongo ao

Dadabenay manao salaka mena
Fitondrany miasa anie izy izay e!
Fitondrany miasa, tsy mba fentiny miambo an!
Bebenay manan-tongobolo mena
Tsy adinon’olona maro anie izy izay e!
Tsara ny parakin’ilay tongobolo a!
Zovy e! (2)
Ts’isy izay tsy mahalala anie izany
Tantaran’ny salaka sy ilay tongobolo mena

Dadabenay manana basy lava e!(2)
Basin’anglisy anie ny azy e!
Basin’anglisy foentiny miady tany an’ala
Bebenay manana "Kaska blanc"
Loakan’ny bala anie ny izy izay e!
Loakan’ny bala eo an-tampony e!
Zovy e! (2)
Ts’isy izay tsy mahalala anie izany
Tantaran’ilay basy sy ny kaska blanc

Zovy hoy aho ny tsy mahalala
An’i Dadabenay sy Bebenay
Dadabe miasa tany
Bebe mamboly ny tany
Razambe velon’ny tany

DAMA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 4654
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Solofo
Daty : 09/01/2003 18:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.21