Bozy (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rahoviana ianao re tiana
no hiverina indray
hafaliana miaro hakiviana
no hiandrasako izay andro izay

Ry Bôzy ô, aiza ianao..
fa ny foko efa lao miandry
aman-taona ilay andro
ny andro sy fotoana ahitako masoandro.

Asa lahy raha izao no ho sahy
hamitaka anao, ataoko fa tsy hisy
tsy hisy izany indrisy
satria (2) mamiko ianao

Ry Bozy ô, hafaingana fa ianao
no fiadina ilaina hamerina
indray eto an-tavako ny tsikiny
fahiny re-rahavako

Ry Bozy ô, ianao irery
Ry Bozy ô, no toky sy hery
--------
Rohy:
Hevitra
paolo ( 27/06/2018 19:01)
ndriii..... ataoko fa tsy hisy, tsy hisy izany indrisy, satria mamiko ianao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 8295
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rabehasy
Daty : 05/01/2002 23:33
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014