You are here: home > Tononkira > Mahaleo

Ao izy e (Mahaleo)

Ianao ‘lay nailika, ankilabao
Nasiana tsipika tsy azo hihoaranao
Toy irony kamboty, tsy misy mpiahy
Mba te hiangoty nefa tsy reny tsy ray

Ao Izy e, hanome lay anjara fitia
F’Izy anie no mandre
Ny antson'ireo very dia
Ao Izy e, hanome lay anjara fitia
F' Izy anie no hany mandre
Ny antso manginan'ireo izay nania

Ianao ‘lay nibaboka fa nanao ny ratsy
Vao mainka nadaboka sy narahina fantsy
Toy ny resy mifona fa nanao ny ratsy
Odiana tsy henoina

Ao Izy e, hanomtononkira.serasera.orge lay anjara fitia
F’Izy anie no mandre
Ny antson'ireo very dia
Ao Izy e, hanome lay anjara fitia
F' Izy anie no hany mandre
Ny antso manginan'ireo izay nania

Ianao diso famindra, solafaka
Ireo namanao indrindra no nanavakavaka
Fa nadio ianao fahiny, nolazaina hoe tsy ratsy
Nefa dia nomena tsiny fa nisy loto nanasy

Ao Izy e, hanome lay anjara fitia
F’Izy anie no mandre
Ny antson'ireo very dia
Ao Izy e, hanome lay anjara fitia
F' Izy anie no hany mandre
Ny antso manginan'ireo izay nania

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Mahaleo
Mpamaky : 14479
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : IMR
Tamin'ny : 17/04/2011 09:33:02
ID : 6007

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Sokajy