You are here: home > Tononkira > Mahaleo

Ampela (Mahaleo)

Ry ampela avy  atsinana
Manja lanlandava
Metimety ihany oa
Kinanjo basy vava
Hifaliako izay manaraka

Ny ampela avy any avaratra
Manao milolalola
Izaho tsy hanambady
Ampela matim-bola
Hifaliako izay manaraka

Ny any ao an-dafy avaratra
Manam-bola hono
Izao tsy manTsiky dia ampyam-bady
Ampela soa be nono
Hifaliako izay manaraka

Lahina taretra
Mitsatoka amin’ny tany
Ampela mitoretra
Tsy misy manontany
Hifaliako izay manaraka

Na vary ao an-daona
Ataovy tsara toto
Izaho tsy hanam-bady
Raha tsy sitrapon’ny TOMPO
Hifaliako izay manaraka

RABEKOTO HONORE AUGUSTIN

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Mahaleo
Mpamaky : 4660
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Solofo
Tamin'ny : 20/01/2003 16:26:33
ID : 1399

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo