very namana (Mage 4)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
....FA NANANA ANAAAAAAAAAO !!!!

Mampatsiahy anao hatrany sy izay lasa izay
Ilay toerana iray fihaonana aminao
Fahanginana sisa sy embona anao
Tsy re intsony ilay feonao, lasa nandao

Ny aliko hatramin’izao
Feno alahelo anao
F’efa nilaozanao
Manjombona avokoa
Mangahiahy hatramin’izao

Ref:
Mandry tsy hifoha any ianao
Marary ny fo nilaozanao
Manganohano tsy hay toahaina
Tsy mety mitony, very namana
Mandry tsy hifoha any ianao
Marary ny fo nilaozanao
Manganohano tsy hay toahaina
Tsy mety mitony
Fa te hanantena ilay fiverenanao

Ireo fiarahana tsy hay adinoina fa mamy tokoa
Ilay mozikantsika iny miraikitra ao am-po
Vavaka sisa no asandratray
Mba hampitony ireo tsy hay mameno fanahy

Ref:
Mandry tsy hifoha any ianao
Marary ny fo nilaozanao
……………………….
Tsy mety mitony
Fa te hanantena ilay fiverenanao
………………………….(fa NANANA ANAO)
………………………….HO SAMBATRA IANAO
…………….
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mage 4
Vangy : 9456
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 23/03/2014 22:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722