Sitrano (Mage 4)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inty aho mitady anao
Fa te handre ny feonao
Mba te hafantatra ilay famonjenao anie aho
Mangetaheta anao, mila anao anie aho
Fa te hiova fo vaovao
Mandohalika eto anatrehanao ry Ray

Koa mba ampiantaho ilay fitiavanao tsisy fetra
Ampianaro koa aho, hisaotra anao amin’ny zava-drehetra

Mangataka aho sitranonao
Amin’ny aretiko anatiko ao
Mamatotra ahy hatramin’izao
Mba kasionao anie aho
Ny entako hatrizao, entiko aminao
Eto amin’ny hazo fijalianao
Esorinao avokoa, ry Jesoa izay Tompoko

Koa mba ampiantaho ilay fitiavanao tsisy fetra
Ampianaro koa aho, hisaotra anao amin’ny zava-drehetra

Koa mba ampiantaho ilay fitiavanao tsisy fetra
Ampianaro koa aho, hisaotra anao amin’ny zava-drehetra


Fa aminao no hanandratako izay faniriana miloatra avy ao am-po
Fantatrao izay mahasoa ahy sy izay mba tiana ka amindrao fo
Fa mpanompo tsy mahasoa no miondrika eto koa mba hanehoy
Hanehoy fitia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mage 4
Vangy : 4638
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : tsriha
Daty : 25/08/2016 11:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717