You are here: home > Tononkira > Mage 4

Rediredy (Mage 4)

1- Misafotofoto tsy mety mitony
Ny foko raha mahita anao
Ny alina aho zara raha mahita tory
Misento, mitady nofy anao
Tena babo ka tsy afaka hiverina intsony
Fa jambena anao
Tora-kovitra aho raha tsy jerenao akory
Maminany ny ao am-ponao

Ref : Fa tena tia anao aho
Tia ka te ho tiavinao
Mararim-pitia ka mirediredy irtononkira.serasera.orgery eto aho

2- Mitobaka toa afo mahery
Mandoro ny ao anatiko ao
'Lay fitia nofatorako mafy
Nefa norombahinao
Ka tsy misy tavela ho an'ny hafa intsony
Fa lasa avokoa
Toy izany koa no iriako
Raha ho fitempon'ny fonao
Ref : ....

3-Tsy sitrapon'ny fitiavako
Ny hifoha hitempo fitia
Fa kanto loatra ianao ka tsy tànako
Ka dia resy ?
#Samyfalyehh

Hevitra mandeha

ramakavelotahianat2 (19/02/2019 12:46:23)

tsara tohizo hatrany ny rock Malagasy .m' lay lisany e!

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Mage 4
Mpamaky : 4214
Mpakafy : 4 Ankafizo
Nampidirin'i : rovantsoatsiory
Tamin'ny : 30/01/2019 22:31:50
ID : 11342

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo