Raha tsy ho eo (Mage 4)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha tsy ho eo intsony ianao
Ilay mpanamaivana ny adin-tsaiko iny
Ka tsy ho tazako ny endrikao
Aza hadinoina ilay taratasin-kira
Ho ahy sy ianao
Vetsom-pitiavako hatrizay ouh! ouh!
Mikalo hoe:

Famerenana:

Hatramin’izay ela izay
Iray foana izaho sy ianao
Ka tsy hoe ho fafàna indray
Ireo izay efa natao
Ireo izay rehetra ao anatiko ao
Ho anao irery
Ireo izay rehetra nomenao
Tsy hasiako ho very

Raha vao tonga ianao
Hahasarika mpanadalo foana
Hitaintaina aho sao ho very dia
Raha tsy irery ianao any
Iangaviako mba tsy hilaozanao
Ity fo tokako manirery
ouh! ouh! mikalo hoe:


Famerenana:

Hatramin’izay ela izay
Iray foana izaho sy ianao
Ka tsy hoe ho fafàna indray
Ireo izay efa natao
Ireo izay rehetra ao anatiko ao
Ho anao irery
Ireo izay rehetra nomenao
Tsy hasiako ho very
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mage 4
Vangy : 7119
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 30/10/2001 20:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1004