You are here: home > Tononkira > Mage 4

Lafatra (Mage 4)

Raozy dia, mahate ho tia lay endrikao
Fa tsara loatra, manintona ahy
Ianao no lafatra

Mambabo ny manodidina ny toetranao
Tsy miavona fa feno tsiky ny fiainanao

Raozy dia, mahate ho tia lay endrikao
Fa tsara loatra, manintona ahy
Ianao no lafatra

Mambabo ny manodidina ny toetranao
Tsy miavona fa feno tsiky ny fiainanao rehetra
Ianao no deraina
Tsy ho tantiko ny hamela anao tsy ho namako

Refrain:
Mangovingovitra aho mahita anao
Misy tsyTsiky dia ampy aritry ny ao anatiko ao
Hanantona anao aho izao dia izao
Hisedra ny herinao, hitory fitiavana

Vao mangiran-dratsy anie aho
andeha hiaritra
Ny hatsiaka sy ny andro maraina
Eo ambaravaranao
Hivimbina ilay fitia sy handohalika
Hitsena ilay marainanao
feno fanantenana

Te ho anao aho
Omeo ahy ireo teny mifono hasambarana

Refrain:
Mangovingovitra aho fihininao
Natao ho ahy ny ampitsonao
Omeko anao izao tontolo izao
Aza manana ahiahy amin'ny ho avinao

A/C: Elysé

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Mage 4
Mpamaky : 954
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : rlafatra88
Tamin'ny : 30/12/2018 16:15:50
ID : 11235

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo