FITIA MANDRAKIZAY (Mage 4)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vao nitopy taminao ny masoko androany
Dia nisava ny alaheloko hatrizay
Niova ho toy ny paradisa ilay tomany
Fa nanoloana ahy ilay sila-panahy
Eny izaho koa niandry anao hatrany
Nino koa fa ho ahy ianao

Ref : Tapitra hatreo ireo talaho
Hitambatra ho iray izaho sy ianao
Ny fitiavantsika roa tsy ho lo, Mandrakizay !

Toy ny tsy teto antany intsony izaho sy ianao
Fa ny afom-pitia no nitari-dalana
Ireo mpankahala niala maina sy nandao
Fa tsara orina ilay fitia vaovao
Tsy hisy fetra fa ho mandrakizay
No tarigetra hiainana

Ref ...
--------
Rohy:
Hevitra
landry15 ( 30/03/2015 09:36)
mba asio auteur compositeur rehefa ohatr'izao e!
andry 1000 ( 04/04/2015 06:10)
sao de mba misy manana ny tonon'ity hira ity sy ny anarany gropy mihira ity hira ity fa lasa ady hevitra be aminy bandy akama rehetra hoe inona ny fanombohany le hira de iza mihira azy (remarque efa nanao recherche tato izahay fa tsy nahita) sombiny am' le hira

ho entinao ho aiza ny harena
sanatria tsy hanaraka anao
raha lasa any ianao
ka tsy hiverina intsony
tsy ho voavidinao vola ny any ambony
Mahery1208 ( 30/06/2015 10:03)
andry 1000
https://www.youtube.com/watch?v=tT07vOLiz5k
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mage 4
Vangy : 8817
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 21/11/2005 07:30
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122