Fanatitra (Mage 4)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha niantso Izy hatrizay
Nandositra sy niafina aho
Ireo rantsam-pahazavany
Nosoloiko haizina indray

Tsy kivy ary tsy nandao
Ilay Nahary izao rehetra izao
Fa izaho no jamban'ilay
Adalana nisintona ahy

Fa ireo teny izay mahasoa
Nozarainy nomeny avokoa
Fa izaho no mazan-doha
Miseho mahafantatra

Refrain:
Fa ireo rojovin'ny satana
Namatotra ahy ao an-tranomaizina
Tototry ny olan'ny tany aho
Ka nijaly nahatsiaro resy, very aho

Nifona aho, nitalaho mba
Hiverina ao an-tranony indray
Amin'ny fo feno fitiavana
No nandraisany ahy, ka faly aho, faly aho

Atolotro eo anatrehany
Omeko ao an-dapany
Ireo hirahira ho zaraiko mba
Ho fanatitra vaovao

A/C: Lita
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mage 4
Vangy : 3121
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rlafatra88
Daty : 30/12/2018 16:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731