Ao ihany ve ianao (Mage 4)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ho tazana intsony angamba
Ilay masoandro fa any ambadika any ho any
Fa ny lanitra izay manga takon-drahona
Sendra rivotra mandrava

famerenana:

Ao ihany ve ianao(2)
Hiatrika ny fahoriako
Ao ihany ve ianao(2)
Hiatrika ny fijaliako

Tsy ho tazana intsony angamba
Ilay hazavana rakotra haizina ny tany
Nantenaiko tsy hitranga ilay fahantrana
Nampirotsaka tomany

famerenana:

Ao ihany ve ianao(2)
Hiatrika ny fahoriako
Ao ihany ve ianao(2)
Hiatrika ny fijaliako
Ô!Ô!Ô!Ô!Ô!
Tsy teo intsony ianao
Fa lasa nanadao
Tsy tantinao ny fijaliako
Tsy andrinao ny fihaviako
--------
Rohy:
Hevitra
tainkitana ( 27/05/2020 16:27)
Nandramanay natao tany am studio ity hira ity ary hita fa tena tsara tokoa ny inspiration sy ny arrengemet n'ity hira ity
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mage 4
Vangy : 4826
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 30/10/2001 20:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9637