Mampivika drako (Mafonja)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Bikany tsara, tsara tsiky tsara fanahy
Fijerinao manjopika sady mampivika anakay
Mafatifaty ianao miavaka amin’ny samy tontolo
Mandratra mafy hatrany anatiko any manontolo

Tiako mihintsy enao e
Raha ho anao za tsy ho tofoka
Trotrotroko eny rehetra eny
Sady omeko horokoroka
Ny haniany, ny sangisangy,
ny safosafo, ny tambitamby
foiko anao jiaby amin’ny fomba ofisialy mihintsy o any mariazy

kozy nge zany fa tsy vazivazy ny adiady rehetra e
za koa tsisy na koboko enao azan a diso piso
maminavina ny ho avy rampitso tsy haiko fa tiko ianao
ianao no iriko ho mpanjaka vavy

ianao ilay tanamasoandro manafana amin’ny androm-piainako
Diavolana manazava ao anaty ny aizim-pito
Rozy mamerovero manindrona sady misy toetra
Loharano mangarahara sotroiko raha mangetaheta

Fiv : Mampiviky enao,mampitapy
Mahalasa adala anaka
Foko sy ny saiko lasanao any aminao babonao
Simbanao ro malalako oh
Vatanao kanto oh
Drako oh oh oh, olo mamiko
olo-tiko ka nofidiko andefomandriko ianao
ka ajanony any ireo ady izay manorisory
fifamaliana vokatry ny asarotapiaro oh

Zah nge tena tia fa tsy sangisangy
Iray minitra tsy eo anilanao oa zah dia mila ho dangy
Manonofy mikasika ny vatanao malandilandy
Adiady kely fotsiny ve ampisaraka antsika manangy

Zah mitomany,
Ranomasoko milatsaka mipatrapatraka
Zah valaka,
Zavatra tsisy dikany ve ry joba no atao ampisaraka
Ny foko narary nijery ilay sarintsika roa sady nalahelo
Natsiaro tokana kely singa irery zah very
Tamberina ao antsaiko ireo fotoana mamy
Tsy mety voakosoka ngomanao zah, mahatsiaro anao
Manina ny tananao misafosafo ny tavako
Ilay molotrao malefaka iny manoroka ny vavako oh
Oiee, Matsiaro anao
zao drako

ianao ilay tanamasoandro manafana ny androm-piainako
Diavolana manazava ao anaty ny aizim-pito
Rozy mamerovero manindrona sady misy toetra
Loharano mangarahara sotroiko raha mangetaheta

Fiv : …

Tsikitsika lava oa rehefa eo anilanao
Ohatr’izany ilay fitiavako raha mbola tsy tsapanao
Ho avy za angataka fa hafaro dadanao
Fa efa lasako tanteraka izay rehetra momba anao

F’efa navaliko ny ditra ditra lasako fahiny
Enao aza manahy fa ity ny tanako fihino
Omeko anao izay ananako zay tsisy ato tadiaviko
Fa tapa-kevitra aho mba haka anao ho vadiko
Drako o! dia lazao zokinareo
Tapenako ny masony mahazo mahatoky nareo
Lazao an’izany koa ny sipanao voaloha
F’efa ho ataon’lery oe zay tsy vitanao taloha

Fa omeko anao izay tsara, omeko anao zay anah
Tsy ho avelako enao oe dia gagan’iny zah hiala
Hisaroka an’I Jah fa nomeny anah ilay fandehany
Dia tonga any ianao alahady manatitra vody ondry e

Fiv : …
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mafonja
Vangy : 6287
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : FiBox
Daty : 02/11/2017 07:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0831