Mitanjaka ny foko (Mafihatoka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ny safidy no tsy misy
Nefa nalainao izaho ho fitaovam-pahasarotampiaro
Tsy ny mpifaninana no vitsy
Nefa notsongainao zaho tao anatin’ny maro
Maivana loatra ny teny hoe “mankasitraka” raha hoenti-misaotra anao
Nefa tsy manan-danja eo anatrehan’ny hakantonao ny teny hoe tiako tsotr’izao
Tsapako fa sakaizan’ny hatsarana ianao, ary akaman’ny kalitao
Rariny raha tsy hino ny fisian’ny anjely izaho, fa mino ny fisianao
Fahasambarana mihoatra ny an’ilay Nahary ny ahy raha ianao no mitondra am-bohoka ny zanako
Fantatro fa tompom-pikasana aho fa tsy tompom-panantaterahana
Nefa vonona hanolotra anao hatramin’ny tsy ananako
Isaorako ilay fianarana nampifanojo ny zotrantsika roa
Fa omeko tsiny kosa ny fitadiavana minia tsy mihaino ny fidoboky ny fo
Ny antoandro fitadiavana, ny alina fatoriana hono tsy haiko aloha izay fahamarinany
Fa amiko ny antoandro fieritreretana ny tenany ary ny alina fanofisana ny vatany na aiza na aiza fahalavirany
Maivana ny sora-tanako, ary tsy haharesy lahatra ny teny avoaky ny vavako
Raha misy fahatezerana, dia ho takona izany eo anatrehan’ny fitiavako
Efa lasanao iny, tsy nindramina fa nalaina
Ataovy amin’izay itavanao azy, fa fotsiny hoe aza simbaina

Tsy ho voalazan’ny vavako ny teny
Hilazako ilay fitiavako mahery
Tsy te hahalala izay lasanao aho
Fa mba ampidiro anaty lisitry ny hoavinao
Raha ho tsiniko avy hatrany dia lazao
Babangoana ny ao anatiko ao
Tsisy fo mitempo intsony ao
Fa ilay tao lasanao
Tiako ianao, tiako ianao

Dia iny ilay masonao fa mibanjina ny tavako
Saingy aleoko ihany ny ahy satria raha tsisy ny masoko dia tsy hitako ny masonao rahavako
Dia iny ilay endrikao tsy manam-paharoa
Mamelona aina sy mampidoboka ny fo
Indrindra moa fa ilay hatsarana mafy
Toa mila hampitapy sy hampanontany tena anaty
Hoe mba iza loatra no nahavita nanamboatra ity fahatsarana feno mihoatra?
Tsy haiko intsony ny miteny ny fitiavako
Fa ngeza mankadiry
Angamba raha ho isaiko amin’ny isa mety hanano sarotra satria tsy haiko hoe firy
Mety hanotany tena ianao hoe fonenanao irery ve ny foko sa misy olon-kafa
Dia tsy manina fa ho valiako fanontanina tsotra izany hoe ‘’katolika ve Papa ?’’
Ny iray minitra tsy eo anilanao anie ry sombim-piainako dia toy ny zato taona eh
Indrisy fa mitondra hafatra ihany ilay vavako, ny foko mantsy moana
Koa miangavy mitalaho, aza ikirizana fitia
Satria tsy nisy ireto fehezanteny ireto raha toa ka tsisy indry
Fantatro fa mbola lavitry ny fananan-talenta aho, ary koa tsy tsara feo
Fa manana fo mitempo hitia anao ka raiso re azafady fa miantso vonjeo
Koa raha azo atao, esory ao anatin’ny voambolanao aloha ny fandavana
Satria ny ahy ity rediredin’ny kely saina, ary hamohamon’ny resim-pitiavana
Ity ary ny olonao, vonona hitia na ho an-karihary na ho an-tsokosoko
Dia aza gaga ianao fa raha milatsaka ny ranomasoko, dia vokatr’ilay setrokin’ny donak’afo avy ato am-poko
Ka vonoy malaky re azafady eh, fa za mbola te ho velona
Tsy ho zakako mantsy raha ilay akaninao iny no ho lasa lavenona
Fa iza ary ianao ? fa sady toa mpampijaly no loharanom-pahasambarana
Aiza ary ny toeranao ? fa sady toa any amin’ny voalohany no any amin’ny vodilaharana
Tsy azoko intsony eh ! ny mety angamba faranana ny teny
Tsy takatrin’ny fahalalako mantsy ilay mistery
Fa toa mahita ihany ny masoko na dia tsy mijery
Ary toa mifady sakafo ny vavako nefa tsy karemy
Fa raha azo atao, dia mba angalao ilay fitiavanao
Ary anampio ny fitiavako
Ampitomboy ny antsika roa
Ary zarao ho ahy irery
Fa raha toa ka fitiavana ho zotra tokana
Aleo aho hijanona amin’izao,
Fa tsy mahasakana ahy anefa izany hanao anaty farango sosona ilay fehezanteny hoe ‘’tiako ianao’’

Tsy ho voalazan’ny vavako ny teny
Hilazako ilay fitiavako mahery
Tsy te hahalala izay lasanao aho
Fa mba ampidiro anaty lisitry ny hoavinao
Raha ho tsiniko avy hatrany dia lazao
Babangoana ny ao anatiko ao
Tsisy fo mitempo intsony aho
Fa ilay tao lasanao
Ho ambarako amin’ny fihetsiko ry tiako
Fa ianao irery no antom-pisiako
Na ho an-karihary na ho an-tsokosoko
Mba tafio fitiavana aho fa mitanjaka ny foko
Fa inona ny trano kay raha toa ka tsisy tafo ?
Inona ny sigara kay raha toa ka tsisy afo ?
Dia nisy ve ny tonta raha tsy nisy vaovao ?
Dia iza ary izaho, raha toa tsisy anao ?
Tiako ianao, tiako ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mafihatoka
Vangy : 4244
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 23/10/2017 13:05
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0199