Lefona ivoho (Mafihatoka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izaho no diso, nandiso ny fahamarinanao
Izaho no diso, nanakaiky ny fahalaviranao
Izaho no diso, tamin’ilay fitiavako nanao ankaso
Izaho no diso, ialako tsiny fa ny foko tsisy maso
Izaho no diso, nanadino ny tantaranao
Izaho no diso, nahalala tsy nahy ny anaranao
Izaho no diso, nanindry ny hetahetako tamin’ny fanirianao
Izaho no diso, nifanojo tsy satry tamin’ny fisianao

Izay vao tonga saina aho, ary mila hampivika
Ilay fitiavana natolotrao filan-tsy mahita
Nahatsapa tena aho ka mahatsiaro manenina
Tamin’ilay fidobokin’ny foko tsy azo nafenina
Fa raha nitia aho, tsy notolorana fitiavana
Ary raha nanaiky aho, dia nasetry fandavana
Mankasitraka re, hitombo be ny nialana
Ivavahako ny ratram-poko ho marik’hadalana

Hay ve ny fihenan’ny fitiavana natolotry ny hafa no nampitombo ny fitiavanao ahy
Hay ve ilay « Tiako ianao » natolotra tsy vokatry ny fo fa halemem-panahy
Nitsinjo lavitra aho, ka ny akaiky indray no tsy tazako
Nisosososo aho, satria hoe voaloham-pitiavako
Nieritreritra aho hoe tsy vahiny tao am-ponao ka tsy nihafahafa
Hay diso ny eritreritro, satria izaho mieritreritra anao, moa ianao mieritreritra olon-kafa
Mampionon-tena no sisa, izay angamba ny anjara famaizako
Izaho tsy mahay mitia anao, moa ianao mitia ny tsy fahaizako
Mandamin-tsaina, satria efa nahazo anjara ratra
Ialako tsiny re, fa izaho tsy afaka hivadika olon-kafa

Iray hono ny niatombohana ka tsy maintsy iray no hiafarana
Nanantena ny tsy nisy aho ka nianjadian’ny fahadisom-panantenana
Raha niafina tao anatin’ny halemena ny fitiavanao
Dia hoy izaho hoe nivaly ny valim-bavaka
Fa ankehitriny, nivoaka ny tsy tako-nafenina
Ka mahatsiaro very aho, very anaty lavaka
Mandia tany hono isika ka tsy maintsy solafaka tokoa
Fa tsy mba nahita zavatra hafa holalaovina ve ianao raha tsy ny foko ?
Noentin-pitia feno poizina aho ka tsy mba nahalala
Hoe aza mbola misioka aloa fa mbola tsy tafavoaka ny ala

Tsy nahita fehezanteny tsara lahatra aho, hanamborahako ny ato an-tsaiko
Tsy nifoka aho, tsy nisotro, fa ny ratram-poko no nibaiko
Sa ve hoe anananao ny fahatsarana dia zonao ny mampijaly ?
Sao dia tsy tsaroanao ary fa ianao anie olombelona mandia tany
Ekeko eh ! Fa resim-pitiavana aho, ka nanamafy saina nanao ny tsy fanao
Fa inona moa no hamaritako ny fitiavana raha toa ka tsisy anao ?
Raha mba nampitandreminao mantsy izaho, dia mba nampanginiko ny foko
Dia mba hakiviana sisa no eo amin’ny toeran’ny sento sy toloko
Rahoviana re vao mba hilatsaka amiko ny ranomasonao ry olon-tiko ?
Efa lasa ianao vao tsapako hoe hay tsy silam-panahiko fa antom-pisiako

Mitolefika ny saiko raha mandinika izany
Marary ny any anaty ary tena mampijaly
Fa zatra misy anao ka manembona hatrany
Fa banga olon-tiana mpampangina tomany

Betsaka ny toky sy ny fandraikiraikena
Fa ny iray no singaniko sy mba azoko ekena
Tsarovy ilay kozy : « Tsisy asoloko anao »
Fa mba ahitsiko kely hoe tamin’izay fa tsy amin’izao
Ka mitombina ilay kozy hoe tsisy ny mitovy loatra
Fa ny latsaka no misy, na ny mihoatra

Mitolefika ny saiko raha mandinika izany
Marary ny any anaty ary tena mampijaly
Fa zatra misy anao ka manembona hatrany
Fa banga olon-tiana mpampangina tomany

Fa tsoriko aminao aloha fa izaho koa anie marary
Alahelo latsam-paka toa mampiantso Zanahary
Isika sy ianao dia toa ny vary sy laoka
Fa teren-java misy ka tsy afa-manoatra
Raha ny fijaliako aloha dia tena miantra aman’aina
Raha ny fahoriako kosa ny mampionona ny saina
Ny misaraka aminao mety ho vitako ihany
Fa ianao an-tratran’olona no mampitomany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mafihatoka
Vangy : 2093
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 23/10/2017 12:53
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125