Sodin'i Solofo (Lova Mamisoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha vao tafalatsaka ny hariva
Eo ampiandrasana ny vary ho masaka
Indreo fa mirondrona eo ampitoerana
Ireto ankizy maro be
Ka vory eo amorom-patana
Maka toerana hiheno an'i dadabe
Hitantara angano ary koa hampihomehy
Ka izany dia miatomboka foana hoe :

Refrain:
Indray andro hono (x4)

Sodin'i Solofo no atao tantara
Tovolahy iray tia mozika
Fa mbola tsara sy mamy hatrany hatrany
Ny mihaino sy miaina amin'izany tantara izany

Misioka hatramin'ny vorona raha vao mandre
Ilay feonkiran-tsodina manja be
Tantara tena marina izany 'zalahy
Fiainan'ny tambanivohitra any antsaha

Namorona ny tonony sy ny feony : Lova Mamisoa
Sodina : Yvon
Gitara : Mika
Solo : Manitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lova Mamisoa
Vangy : 2600
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : gasy22
Daty : 08/04/2014 09:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2426