Fiainam-baovao (Lova Mamisoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eo an-tokontany ianao no mitomany
Lasa saina irery toy ny tsy eto antany
Mieritreritra ireo olana maro
Very hevitra toa lasa vinany

Bridge:
Mahatsiaro tofoka sy leo
Ka te hanorina fianam-baovao

Refrain:
Fa any ho any, misy toerana hafa koa
Tontolo iray vaovao, voatokana ho anao
Tontolo hafa loko, hitoeran'ny fo
Tontolo iray vaovao, voatokana ho anao
Efa voasoratra any ho any
Ny lalam-piainana tsy maintsy hizoranao
Ao ny mangidy sy ny mamy
Hanalokaloka sy hitsilo ny andronao

Bridge:
Fa ho avy ny andro sy ora iray
Mbola hihaonanao amin'ilay silam-panahy

Refrain:
Fa any ho any, ilay tontolo faharoa
Voatokana ho anao, ho anao sy izy irery ihany
Tontolo hafa loko, hitoeran'ny fo
Voatokana ho anao, ho anao sy izy irery ihany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lova Mamisoa
Vangy : 1647
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 03/05/2016 23:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736