Voron-kely (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nisy voro voron-kely nihira
Teo ambaravaranao androany
Tonga izy tonga mba hihira
Ny tranonao kanefa maty jiro

Nahoana ianao no nandeha natory
Tsy mba nihaino akory
Izy kanefa teo foana teo
Nihira farim-peo

(Nampalahelo a!)bis

Nony tonga tonga ny maraina
Lasana izy ka nandeha nangitsy
Tsy nety mba nahita hafanana
Tsy nety mba nahita mihintsy

Androany any izy niverina
Nitondra hira vao a!
Marary any izy marary mafy
Raha vao nilaozanao

(Mampalahelo a!)bis

Nilaozany ny namany
Nilaozany ny akaniny

(Mampalahelo a!) bis

Nisy voro voron-kely maty
Teo ambaravaranao androany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tariny
Vangy : 3099
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 10/08/2002 19:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1732