Modia (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nandalovanao ny hatanorako
Indro any aho izao mamohy fo
Mamohy fo irery ny fotoana very
Very fa tsy mba nomeko anao


REF:
Enonao ve ny foko miantso hoe
Modia ry hany tiako
Modia mba ho fifaliko
Tsapanao ve
Ny saiko fa tia handeha
Hamonjy ny hanilanao
Fa tsy afaka any aho izao


Ho andriko foana eo antaranona
Ilay andro iray hodianao
Maizim-bolana ny aliko ety
Mosarena tia hahita anao

REF:
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tariny
Vangy : 4884
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 16/02/2002 17:30
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114