Izaho tsy maintsy mihira (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izaho tsy maintsy mihira
Voninkazo iray
Mitranga tampotampoka
Eny antampon’ny havoana
Izaho tsy maintsy mihira
Zazavavy iray
Mihazakaza-dava
Tsy fantatro hoe nahoana
REF(bis):
Hihira aho(bis)
Hihirahira mafy
Hoanareo manatrika eto
Izaho tsy maintsy mihira
Mihira an’ilay jamba
Mikaroka ny volany
Amin’ny ali-maizimpito
Izaho tsy maintsy mihira
Vazon’ny mahantra
Tsy mba niala sasatra
Amin’ny andro fahafito
REF(bis)

Izaho tsy maintsy mihira
Vodilanitra efatra
Nampizarazara izao tontolo izao
Izaho tsy maintsy mihira
Ireo sasany nandefitra
Tsy afaka niteny
Nareo no nilalao
REF(bis)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tariny
Vangy : 14368
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Mpankafy
Daty : 07/02/2002 11:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721