Fony aho (Lolo sy ny Tariny)
Mpihira : Lolo sy ny TarinyMpamaky : 1679
Nampidirin'i : drdahery
Tamin'ny : 26/09/2007 14:47:41
ID : 4725 Fony aho
Fony aho tanilanao,
Fony aho mbola nanavao,
Nirehareha aho nanana anao,
Fony teo ianao
Mbola teo izaho,
Voninkazo tsy nilaozan-dolo;
Niherina indray ny taona vaovao,
Ny foko anie mbola misaona anao,
Ririnin-dava ny fiainako izao
Rehefa tsy eo ianao,
Mbola eto izaho,
Voninkazo very ravina aman-taho.




