Bô e! (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vao maraina mbola maizina
Ny ilany atsinanana
Renoky ny tory mbola tsara nofy
Ny olo-manana!
Injany feo kodiaran-tsarety
(Tsy andavanandro)2 tsy andro fety


Fa mitetitety an’Antananarivo
Mivarobarotra ny Saribaon’Antananarivo
(Bô e!)3 vao maraina
(Bô e!)3 rehefa hariva


Mbola fahoriana isan’andro
Ny mitady ny entina mahandro
Nefa marobe izao
Ny olona mijaly toa anao
Miady lava foana


Mbola fahoriana ho azy
Ny mamonjy ny akany
Hiaritra hihaino indray
Ireto ankizy mitomany
(Noana aho)3 vao maraina
(Noana aho)3 rehefa hariva


Mijalijaly foana ny ankizy
Ny fiainana mihalafo izay tsy izy
Noana anefa atao ahoana moa?
Ny hofan’ny Sarety tsy voaloa
Trosa lava foana


Tompon’ny Sarety tsy nanaiky
Fa nandeha nitory
Tany ampigadrana ny ampitso
Izy no natory
(Vohay aho)3 vao maraina
(Vohay aho)3 rehefa hariva


Hanky vare ny fahantrana
Ka afaka mitondra am-pigadrana
Izy ange tsy nanampo izany
Fa resin’ny fiainana eto antany
Resy lava foana


Vao maraina mbola maizina
Ny ilany atsinanana
Renoky ny tory mbola tsara nofy
Ny olo-manana
(Mandry)3 ny tanàna
Ilay mpikotaba vao maraina
Mantsy no voatana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tariny
Vangy : 6744
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ilery
Daty : 08/03/2002 17:23
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0181