Ambalatavoahangy (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vata vy nidiny Gadana
No nanangonany fananana
Dia Zandiana rovidrovitra
No nanakonany ny tavany

Mivoaka an’Ambalatavoahangy
Ka somary mena-menamenatra
Izao vao hiatrika masoandro
Hiady ho isan’ny olo-marina

REF:

Velombeloma any Ambalatavoahangy
Ka sanatriavina indray ny hamangy
Nanakoako re teny ankodahoda re
Taminy iran’ny olo-tokana nandalo teny

Fariparitany t@ dia-tongony
Izany tanimena vakivaky
Ny ila-betsileo

Mbola ho lavitra ny làlany
Manara-drindrina izy raha mivoaka
Ny vahoaka ao an-tanànany
Mandositra azy toy ny boka

Mivoaka an’analatanosy
Na mankany (aleo kobay)2
Noteteziny ny Nosy
Any ho any hono tsisy mahay

REF:
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tariny
Vangy : 7803
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 09/10/2002 11:45
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4493