Mbola tena tia (Lola (lahy))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Avelao hanazava aho
Fantatro aho fa diso
Toa moramorainao fotsiny am'izao
Ny saiko lasa adala noho ianao
Tsy mahafoy tsy hisaraka aminao izany aho

Dia sanatria dia ireny ve
No nahatezitra anao
Ka nahatonga anao hivadika toa izao
Tena nitia tamin'ny fo ve raha ianao?
Tena nitia tamin'ny fo ve raha ianao?

Aza ilaozanao
Ny eo anilanao no efa nahazatra ahy
Sarotra ny hanadino anao
Malala aza mandeha izany ianao
Olombelona aho
Mety hanam-pahadisoana tsy nahy
Mba hamindrao fo raha azonao atao
Aza ilaozanao fa mbola tena tia anao

Avelao hanazava aho
Mba omeo iray minitra aloha
Tsy vitako,
Ataoko ahoana ny hiaina raha tsisy anao
Mandà ny fo tsy eken'ny saiko ny hoe hisaraka aminao
Torovana mivalaketraka

Aza ilaozanao
Ny eo anilanao no efa nahazatra ahy
Sarotra ny hanadino anao
Malala aza mandeha izany ianao
Olombelona aho
Mety hanam-pahadisoana tsy nahy
Mba hamindrao fo raha azonao atao
Aza ilaozanao fa mbola tena tia anao


Lazainao f'efa tapaka ny hevitrao
Tsy niala nenina fa tonga dia nandao
Sao lahy tsy rariny kosa.

Aza ilaozanao
Ny eo anilanao no efa nahazatra ahy
Sarotra ny hanadino anao
Malala aza mandeha izany ianao
Olombelona aho
Mety hanam-pahadisoana tsy nahy
Mba hamindrao fo raha azonao atao
Aza ilaozanao fa mbola tena tia anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lola (lahy)
Vangy : 14237
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 18/06/2017 07:49
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125