Fa tena tia (Lola (lahy))


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Lola (lahy)
Mpamaky : 2210
Nampidirin'i : johanr
Tamin'ny : 27/04/2006 11:44:39
ID : 3621

Imprimer Facebook Facebook
Tsy andriko ny maraina hahitàna anao
Na ny alina aza toa any amin’ny fananembonana anao
Miraikitra ato an-doha ilay endrikao
Mitsikitsiky malefaka mampi-te hanoroka

Tsy haiko ny hangina
Te hiantso mafy ny anaranao
Be ny velom-panontaniana
Ianao foana no am-bavako ao

Réf: Tiako lôtra ianao
        Tsy mahajery olon-kafa intsony aho
        Lasanao avokoa ny fitiavako oo!
        Foiko ho anao daholo, ny fiainako manontolo
        Tsy rediredy sanatria fa tena tia

Voaomana avokoa izay rehetra atao
Na fihetsika na fiteny handresen-dahatra anao
Indraindray aza toa miteniteny foana
Ny tsisy aza foronina rehefa ianao manoloana

’Ty foko mitempo tsy miato
Dia ianao tokoa no nambabo
Lasanao tsy misy tavela
Ianao foana fa tsy hay nofefena.

Réf:

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo