ZAY NY ANAO... (LOIC)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho antsika tanora akamako, ndao isika ifampiteny
zay manao beloha dia ho bedy, bedesina am-bava tsy mampiasa hery
tsy ankifidy na iza na iza, rehefa bedy dia bedy daholo
fa mba atoroy ahy kosa ny tokony ho ataoko ho setrin'izany

Miala tsiny amintsika rehetra fa ity dia tsy maintsy ho lazaiko
tsy mety ka mila ahitsy ny fitondran-tena sy fomba fisaina
atomboko amiko izany, ny sisa manaraka ihany
raha te-hanova ny akamako aho mantsy dia izaho no miova mialoha

Zay ny anao ô, bedy ialahy
zay ny anao ô , bedy ialahy
zay ny anao, zay ny anao, zay ny anao ô!

Hita taratra ato ampianarana fa izaho ity dia mpanankorontana
manadala ny ankizy mazoto, poizina ratsy manao loham-boto
mihevi-tena ho tsy maty manota, manevateva ireo mpanabe
voafelaka mafy dia mafy aho dia nangorona entana nadeha nivoaka

Tsy nahatanty ka be tati-bolana, nizara alahelo any an-trano
vaomaika ni-chauffe ra ben saika tsy hitako ny varavana
izany ary no zavamisy, fa vonona kosa aho ny hanitsy
aleo fa hianatra tsara aho ho lasa hikohizana tena mahay

Zay ny anao ô, bedy ialahy
zay ny anao ô , bedy ialahy
zay ny anao, zay ny anao, zay ny anao ô!

Nomena andraikitra indray ato an-trano, toa tsy vita fa varimbariana
mifanjana amin'ireo iraitam-po tsy mahatsapa tena fa miandry baikona
mibedy ny Ray aman-dReny, hodiako manao be marenina
ny faniratsirana mandeha, be sermonina antitra be

mafy loha sady be famaliana, mila ho torana mihintsy ny reniko
voadona indray ny ambom-poko ,tafahoatra loatra ity ditrako ity
izany ary no zavamisy , fa vonona kosa aho ny hanitsy
anampy anareo ray aman-dreny aho manomboka androany tsy angataka andro

Zay ny anao ô, bedy ialahy
zay ny anao ô , bedy ialahy
zay ny anao, zay ny anao, zay ny anao ô!

Miavona amin'ireo fiaraha-monina, tsy manaja ireo zoky olona
ny hoe iarahaba an'ireny toa adinodino tsy tonga ao an-tsaina
mitondra enta-mavesatra, mivilavilana hita fa reraka
aleo samy mivimbina ny azy fa zaho koa izany toa vizana be

Azafady amin'ireo Ray aman-dReny, noho ireo ditra tsy fahaizamiaina
fa maro tokoa izahay tanora no miseho beloha nefa tsy aman-tsaina
azafady aminareo mifona e, ny manaraka tsy atao intsony
hay raha tsy ianareo ireo tokoa tsy tonga ohatran'izao zahay fa dia mi-chapeau.

Zay ny anao ô, bedy ialahy
zay ny anao ô , bedy ialahy
zay ny anao, zay ny anao, zay ny anao ô!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : LOIC
Vangy : 1679
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : MyYan16
Daty : 29/07/2014 02:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1405