Tsy haiko ny tsy hitia (Liva Andrianavalona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izay tia atao hoe adala
Fa raha olon-kendry miala
Kanefa dia tsy ho haiko
Ny tsy hitia anao

Ity izaho fa no hoe fahotana
Sy fandikana lalàna
Kanefa dia tsy ho haiko
Ny tsy mitia anao

Tahaka ny rano an'ony
Dia tsy maintsy hivarina any an-dranomasimbe
Toy izany koa, tsy hay intsony
Ny hanohitra izay tendry tsy maintsy aleha

Koa raiso ny tànako
Izay ombanao no hombako
Satria tsy mety ho haiko
Ny tsy hitia anao.

Tonony sy feony : Bessa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Liva Andrianavalona
Vangy : 5955
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 28/02/2015 00:22
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119