You are here: home > Tononkira > Leivyh

Testamenta (Leivyh)

Testamenta taloha,testamenta vaovao
Miraikitra ireo teny soa,teny fiainana ho anao
Samia mijery mamaky, fa tena sakafo sy vatsy
Toy ny vary sy laoka in-telo isan'andro
Voasoratra ao avokoa ireo toro-hevitra maro
Testamenta ankiroa,fanefitra afaka hiaro
Raiso ny hafatra mahasoa izay napetrak'i Jesoa
Teny velona tonga nofo natao hahasoa
NTsiky dia ampyy baiboly,baiboly ihany no hany hanazava ny lalanao
Fa ny finoana,ny finoana hatrany no hanavotra anao amin'izao fiainana izao
Testamenta, testamenta
Tenin'Andriamanitra
Andao hiandrandra ny lanitra hisaotra ny Ray
Refrain:
Testamenta taloha, testamenta vaovao....
O ô, Ray ô! (2)
Nomenao teny soa, natambatrao ho boky iray
Ireo baiboly roa, testamenta ho ahy...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Leivyh
Mpamaky : 317
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : tahiana.dafy2015
Tamin'ny : 17/07/2017 15:09:47
ID : 9776

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo