IZANY FOANA (LEFONA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tadidinao ve ny fitia niarahantsika
Niredareda toy ny afo an-dakozia
Ankehitriny anefa izany nangatsiaka
'Zay rehetra nokasaina teo dangy tery

Fony isika vao nifankatia
Toa tsy ho ritra toy ny farihin'alaotra
Satria ny voady nifanaovantsika tety
Tsy zakako bataina fa mavesatra loatra

ref: Malala ô!(2).'zany foana no ambetiteninao
Tiako a! (2);'zany foana no averimerinao

Tao ny resaka matavy nentinao
Mba hampandrimandry zato foko kely
Rehefa misy sitrapo mba tianao hatao
Tambazanao vatomamy aho asian-tantely

Atanao daholo izay rehetra azo atao
Ny safosafo kely sy ny angolam-pitia
Hatramin'ny takolako nokakerinao
Nanjary menamena toy ny voatabia

Dia entinao mamalifaly toy izany
Irony fitapitaka amin-tsiky sy hehy
Maninona kanefa raha mitsotra avy hatrany
Hoe: tsy tiako intsony ianao mandàna mandeha
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : LEFONA
Vangy : 3743
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : iako
Daty : 31/03/2014 18:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713