FAY AHO (LEFONA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Mamomamo aho nandalo botiaka
Nihazakazaka aho ka nisohiaka
Avy eo aho nenjehin’ ny alika
Any an-kady aho vao nivaniaka.

Réf. Fay aho e, fay aho ô ) 2x
Fay aho e, fay aho a )

2. Nivatravatra Rabekalamaka
Niezaka hamely daka
Poritsahako ohatran’ ny saka
Gaga izy ka nivanaka.

3. Nanenjika i Donga mazoto
Nitondra antsy be sy fanoto
Tora-bato nisafotofoto
Tampo-kandriko saika nivonto.

4. Nitsaitsaika i madama Filao
Nitondra sakay roa kilao
Tao aorianako tao no nifafy
Ka reko nanaikitra mafy.

5. Miorina ny atidohako
Raradraraka ny hatsembohako
Nangorintsina ny lanivohoko
Niborotsaka ny patalohako.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : LEFONA
Vangy : 2076
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : BrunoPAYET
Daty : 11/01/2015 12:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4072