Fitia nangalarina (Lalie Andriamazava)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toneo ny afo ao am-ponao ao
Tadidio fa tsy ho anao
Ny toky sy ny teny mamy
Mety hoaloaky ny vavany

Ka topi-maso angalarina
Tsikitsiky angalarina
Fihin-tanana angalarina
No hany anjaranao
Fotoana fohy angalarina
safosafo angalarina
Orokoroka angalarina
No hany anjaranao

Satria fitia, fitia angalarina

Ny ranomaso atsaharo
Dia aoka ianao hahatsiaro
Fa misy rojo tsara hidy iray
Mamatotra ny tanany

Ny sentosento fihino
Ary aza maiko ny hanadino
Fa misy fo mitepo iray
Efa nomeny ny fitiavany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lalie Andriamazava
Vangy : 2953
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : HERY
Daty : 17/02/2002 08:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0749