Tonom-bavako (Lalatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho anao anio Ray
No hihirako
Ny alaheloko,ny ratra ao anatiko
Toa kivy aho
Raha izay nataony ahy izay
Omaly izahay
Toa tia tokoa
Nefa dia anio,aiza izao
Aiza moa?

Fa fiainana sento ny ety
Moa sitrakao ny mijery anay
Toy izao
Mamboly fitia sy mitia
Rehefa leo de miala indray
Handositra aho
Mba hanadino
Ny nisy teo

Fa mbola ho anao
Izay Fitiavana
No hametrahako
Ny fiainana iainako
Mino aho fa hitanao
Izao rehetra izao
Koa mba raisonao
Ny saiko atanjaho
Hahazaka jalim-pitiavana


Fa hafahafa ny ety
Tsy maintsy tia nefa dia
Miomana ho hankahalaina koa
Mahatoky Anao
Ray Mahery
Ampio aho fa
Izany no fiainana...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lalatiana
Vangy : 4171
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : vatovola
Daty : 04/05/2004 12:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.217