Antson’ny Manina (Lalatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O ry vorona o!
E ry vorona ery! (X2)

Inona ihany aho mba toa anao io e
Kopaka elatra ihany dia ho ampy
Hiangako dieny androany
Ho any alavitra
Ho any amin’ny misy azy

Sarotra mantsy ny lalana ombana
Avo loatra irony avoana
Mbola lalina koa ny rano
Tsy araky ny aiko izany, sao dia tratra hariva

O ry vorona o!
E ry vorona ery!

——

O ry volana o
E ry volana ery (x2)

Mba raiso ho aho eny aminao eny e
Eny mantsy toa ahita ny any
Fantatro izy fa mijery anao
Sao dia mba tafahoana e
Ny masonay samy miandry

Fa , vetivety ihany anie fa tsy ela
Raha tsy mety moa atao ahona e
Ny tenako any na mbola ety aza
Ny foko dia efa any, tsy adala fa tena tia o!

E ry volana ery!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lalatiana
Vangy : 2874
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Priscillar
Daty : 14/10/2018 13:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726