Ho ahy sy ho anao (Lalao Rabeson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
HO AHY SY HO ANAO

Henoy izao hira izao
Fa hira ho ahy sy ho anao
Ka kaloy hamalifaly
Izany saina fo sy fanahy
Satria izany hira izany
No afaka mandrava
Ny elanelan-tany
Koa hirao izao hira izao
Fa ho ahy sy ho anao.


Ireo lalana nodiavintsika
Dia nampahatsiaro zava-maro
Ireo hira nohenointsika
Nitamberina ,nifangaroharo
Koa tsarovy isan’andro
Fa aza avelanao hangina
F’izany fahatsiarovana izany
No ho ahy sy ho anao.


N’inona hitranga
N’inona hanjo
Rehefa zaraina zaka avokoa
Koa hirao ho ahy
Izao hira izao
Fa ho kaloiko koa ho anao
Hiram-pitia
Ho anao sy ho ahy
Mandrakizay.


Raha sendra mifamahofaho
Izany alahelo ao an-tsaina
Fa saraka lavitra ny tany
O! ry tiana sy lalaina
Dia banjino avy hatrany
Iny lanitra iny
Dia ho hitanao ireo fo
Fo mifankatia iray ho doria.


Koa hiriako izao raha sitrakao
Hiara-hihira izao hira izao
hoe:Tiako ianao
Eny tena tiako
Akaikinao
Izay no fifaliako
Ho feo iray ny anao sy ny ahy
Mandrakizay
Hoe tiako ianao, eny tena tiako
Akaikinao, izay no fifaliako
ho feo iray ny anao sy ny ahy
Mandrakizay.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lalao Rabeson
Vangy : 8793
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Yonika
Daty : 22/06/2005 09:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1586