Tsarovy fa...(gologota) (KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena)

Gologota re
Teo no namoizan'ny Tompo ny ainy
Nefa ny rany latsaka, no tonga fanadiovana ho an'ny tany
Gologota re, teo no nandraisana famonjena lehibe
Ka nanafaka ahy tao anatin'ny aizin'ny fahafatesana

Gologota re,teo no navitrany ilay fihavanana
tamin'ny olona sy Andriamanitra,
ary koa ny tany sy ny lanitra
Gologota re teo no maty ilay adama ela tato anatiko
Ka nananganany ahy ho olom baovaTsiky dia ampyo
ka tonga zanany.

Ref: Tsy nanavaka izy
satria ny olona efa samy nanota
tsy mba sitrany ho very
Na jiosy izay, na jentilisa
Fa ny faniriany anefa, dia ny iraisantsika
Amin'ny fanjakan'i Ray
Nefa tsarovy fa

Gologota re, no nobanjinin'izao tontolo izao
Teo ny Tompo no nitaraina noho ny amintsika e..

Gologota re, no tsarovy fa
Teo ny fahazavan'ny Tompo no niposaka
ka namerenany indray
Antsika handova ny saha edenany.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Mpamaky : 24
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : daryprod
Tamin'ny : 20/03/2017 10:31:58
ID : 9229

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo