Ny finoako (KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena)

Raiko ô, Ianao ihany anie
No itokiako hatramizao
Ary mbola ho mandrakizay
Vatolampin'ny foko Ianao

Ts'isy hampihotsona, hampisaraka Aminao
Ts'isy hasambarako raha tsy eo anilanao aho
Mpanjakan'ny finoako Ianao
Anio sy ho mandrakizay
Ka indro hasandratro ny ftononkira.serasera.orgiderako Anao

Raha mamaky lohasaha aho
Aloky ny fahanginana
Dia tsy hatahotra ny loza aho
F'Ianao no ato anatiko

Ts'isy hampihotsona, hampisaraka Aminao
Ts'isy hasambarako raha tsy eo anilanao aho
Mpanjakan'ny finoako Ianao
Anio sy ho mandrakizay
Ka indro hasandratro ny fiderako Anao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Mpamaky : 121
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : daryprod
Tamin'ny : 10/08/2017 14:48:21
ID : 9851

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo