Fitiavan'ny Mpahary (KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena)

Aoka mba tsy ho hadinoinay Tompo ô
Ny ranao latsaka tao kalvary
'lay sorona velona, madio sy masina
Izay anamarinanao anay , eo ankavanan-Dray

Isan-taona izao no ampahatsiahivinao
'lay ady vitanao, fony Ianao tety an-tany
Mifona izahay, fa isanandro izao
Dia misaina ny ratsy, ny ao am-ponayTsiky dia ampy ao

Z'inona moa zahay Ray malala ô
No dia namoizanao ny zanakao
Fa ny fitiavanao, sy ny famindram-ponao
No niantsoanao anay indray, ho zanaka mpandova Anao

Eny tsapanay tokoa, f'ianao tsy mahafoy
Fa izahay no ratsy, ka mandà ny tsara hatrany
Fa na mihezaka, hanao izay soa sy tsara
Dia indro fa ny ratsy no misosoka

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Mpamaky : 458
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : daryprod
Tamin'ny : 27/07/2016 13:57:43
ID : 8736

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo