Fagnahy masy (KTKT (Kristiana Tanora Katedraly Toliara))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fagnahy Masy ô itoboho gny foko.
Fagnahy Masy isondreo gny saiko e! e!
Tsy mora andriogna gn'etoy e!
fa mandrate mamono gny soa

Fagnahy Masy Iha avao ro tamaiko
Fagnahy Masy Iha tompon'ny gn'aiko e!(Fagnahy Masy)
Tsy ho toly amy làla hombako aho e!(Bezako e!)
la tsy tilienao z'eo takotako

Fagnahy Masy ka mokotsy ahy Iha
Fagnahy Masy k'enganao aho Roaiko e!(Fagnahy Masy)
Ts'iaboha gn'anagnako anao e! (Bezako e!)
Fa Ndragnahareko tokoa tokoa.

Mpamorona: FELY
--------
Rohy:
Hevitra
mniriko ( 04/05/2016 07:49)
toy izao ny dikany malalaka:

Fanahy Masina ô itoero ny foko
Fanahy Masina ataovy NAMANA akaiky ny saiko
Tsy mora ny fandalovana ety
fa betsaka ny ratsy manimba sy mamono ny TSARA

Fanahy Masina Ianao no antenaiko
Fanahy Masina Ianao no tompon'ny aiko
tsy ho tody amin'izay tiako haleha aho
raha tsy ianao no manazava ny manakontakona ny diako

Fanahy Masina aza tofoka amiko Ianao
Fanahy masina aza avela ho irery aho ry Raiko
Tsy fidedahana fotsiny ny ifankazahoako aminao
fa tena Andrimanitro mihintsy Ianao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KTKT (Kristiana Tanora Katedraly Toliara)
Vangy : 1782
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mniriko
Daty : 04/05/2016 11:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.284