IZA MOA JESOSY (KT AMBATOVINAKY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tantaraiko anao ny tantaran‘I Kristy
Raha efa fantatrao Izy dia tena tsara be
Hamafiso hatrany hatrany ny finoana Azy
Ary ampitapitao amin'ireo namanao:
Fa Olona iray, nosamborina tsy tamin'ny antony Izy e!
Olona iray, nokapohina, nororaina
Olona iray, nofinantsika, nosinatroka tsilo
Olona iray, nolefonina, maty Izy e!
Maty tao Kalvary, nefa tsy mba nanota Izy e!
Maty tao Kalvary, nefa tsy mba nanota Izy e!

Izy dia teraka tany Betlehema
Zanak'i Maria, Maria virijiny
Izy no Mpanjakan'ny Mpanjaka, Ilay Mesia!
Notorotoroina tamin'ny Fanahy Masina
Izy efa nisy hatramin'ny taloha
Nomena ny anarana hoe: Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny Mandrakizay,
Andrian’ny Fiadanana, Mpanjakan’ny Mpanjaka, Jesosy Kristy ! Jesosy Kristy !
Izy no Tompoko, Izy no Tompo
Tompoko sy Mpamonjiko,
Tompoko sy Mpamonjy
Ka tsy mba hatakaloko Izy e!

Betsaka ny Tantarany,
Tsy tambo isaina ny lazany sy ny fahagagana nataony
Nampitsangana ny maty Izy e! Mahagaga!
Nampahiratra ny jamba Izy e! Mahagaga!
Nampandeha ny malemy Izy e! mahagaga!
Nanasitrana ny aretina efa ela be! Mahagaga!
Tsy takatry ny saina ho'aho ny herin‘I Jesosy!
Izao tontolo izao eo ambany fahefany
Tsy takatry ny saina ho'aho ny herin‘I Jesosy!
Izao tontolo izao eo ambany fahefany
Nampitsahatra ny herin-drivodoza be! Mahagaga!
Nampitony ny onjan-dranomasim-be! Mahagaga!
Nampitombo ny mofo ho tonga be dia be! Mahagaga!
Nahavoky ny olona noana marobe! Mahagaga!
Raha tianao koa ny ho sitraniny,
Dia maimaimpoana fa tsy misy tambiny
Ho asehony aminao ny voninahiny
Satria ho anao ity tantara ity.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KT AMBATOVINAKY
Vangy : 1523
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : aronavalona
Daty : 20/01/2017 08:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2493