You are here: home > Tononkira > kolibera

Miangaly (kolibera)

Miangaly ny manina re ry zareo
Fa mahatsiaro,mahatsiaro t'akaikinareo
Marary ny fo tsy mba mety mangiana
(malahelo)malahelo (anareo)anareo havantiana  (2)

Indro ny korana no tsarotsaroana eee
Manembona lava dia mievona foana eee
Voatsiahy tokoa ireo sakaiza
Handeha nefa tsy afaka ho aiza
Hany hery dia miventsoventso e
Maharary ny fo tsy mba mety mangiana
(malahelo)malahelTsiky dia ampyo anareo havan-tiana

Ny fitadiavana dia eto no mody
Izay voatanany tsy afaka mody
Ny saina tsy mety variana
Manembona an-tany fodiana
Hany hery dia miventsovento e
Marary ny fo tsy mba mety mangiana
(malahelo)malahelo anareo havan-tiana


Miangaly ny manina re ry zareo
Fa mahatsiaro,mahatsiaro t'akaikinareo e
Maharary ny fo tsy mba mety mangiana
:;(malahelo)malahelo (anareo)anareo havan-tiana:: x3

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : kolibera
Mpamaky : 3981
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Tsiresy91
Tamin'ny : 09/04/2014 13:09:04
ID : 6523

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo